Canalblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
Publicité
VOUS AVEZ DES DROITS ET VOUS NE LE SAVEZ PAS.
19 septembre 2013

FILOHA MANAO AHOANA NO TOKONY HITANTANA AN'I MADAGASIKARA?

Handalo fifidianana ankehitriny ny firenena malagasy. Efa nandrandrain'ny vahoaka malagasy efa ho efataona izany.

Ao ny milaza fa mbola tsy tokony hatao io fifidianana satria ny fepetra rehetra hanaovana an'izany dia tsy feno.

Ao ko ny milaza fa tokony halefa io fifidianana io.

Raha ny zavatra misy anefa ankehitriny dia mazava izao fa handalo fifidianana n firenena malagasy.

Ny mpanao politika rehetra dia efa manomboka miombon-kevitra amin'izany daholo, na dia mbola tsy izy rehetra aza. 

Noho izany, ny fanontaniana tsara apetrak'isika tsirairay dia: Olona manao ahona no mendrika hitondra ny firenena malagasy?

Raha ny ahy manokana dia

01- Olona afaka hiaro tanteraka ny tombotsoan'ny Firenena Malagasy;

02- Olona afaka hiaro tanteraka ny tombotsoan'ny vahoaka malagasy;

03-  Olona marina sy matahotra an'Andriamanitra;

04- Olona mahasahy mandray fanampahan-kevitra, mandidy sy manapaka;

05- Olona mahafehy tsara ny rafim-panjakana sy ny asam-panjakana;

06- Olona afaka sy mahay miara-miasa amin'ny mpiara-miasa aminy;

07- Olona afaka miaraka miasa amin'ny mpanohitra;

08- Olona mahafatantra ny zavamisy eto amin'ny firenena ary manam-pahaizana amin'ny sehatra lehibe misy eto Madagasikara (Asam-panjakana, Fandriam-pahalemana, Fampianarana,...)

09- Olona manaja ny lalàm-panorenana sy ny lalàna velona eto amin'ny firenena;

10 - Olona mahatsapa sy manainky fa tsy mandrak'izay ny fitondrana ary vonona hiala ampilaminana rehefa tampitra ny fem-potoana natokana amin'izany.

Misy manana izany tsara amin'ireo 33 mpifaninana ho filoha amin'ny 25 oktobra 2013. Ka mahaiza mifidy.

Samy manana ny olona hitany mendrika hitondra ny firenena isika. 

FIHODINANA VOALOHANY AMIN'NY FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA: 25 OKTOBRA 2013.

R.

 

Publicité
Publicité
Commentaires
VOUS AVEZ DES DROITS ET VOUS NE LE SAVEZ PAS.
  • Parmi les raisons qui freinent le développement de Madagascar est l’ignorance de la population de leurs droits et devoirs. En effet, chaque citoyen à des droits et des devoirs. Face à cette situation, mon indifférence serait la pire de mes attitudes.
  • Accueil du blog
  • Créer un blog avec CanalBlog
Publicité
Archives
Publicité